<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Martin Luther</author>
<hymn_number>182</hymn_number>
<title>Ny Pentekosta tonga izao FFPM182</title>
<lyrics>[V1]
 Ny Pentekosta tonga izao ;
 Fanahy ô, ny jironao
 Velomy ao anatiko
 Hahafantarako ny to.

[V2]
 Ampisehoy, Fanahy ô
 Fa Jeso no fiainako,
 Ka Izy dia làlana
 Ho amin'ny fiainana.

[V3]
 Dia mba tarihonao ny fo
 Tohano ny fanahiko ;
 Ampio ny finoako
 Hahita ny Mpanavotro.

[V4]
 Fa Hianao, Fanahy ô !
 Hanova ny fanahiko,
 Ka raiso sy diovinao
 Ny foko ho fonenanao.

[V5]
 Ny hazo-fijaliana,
 Anjara hivesarana,
 Fa Hianao, ry Heriko,
 Mba miaraha amiko.

[V6]
 Mba asehoy ho fantatra
 Ny soa tsy ho tapitra,
 Ny satro-boninahitra
 Homen'Andriamanitra.

[V7]
 O, ry Fanahy Masina ô !
 Ampaherezonao ny fo,
 Ka hazavao ny lalako,
 Raha avy ny hodiako.</lyrics>
</song>